4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toy ny any ny aty - Tarika Loly

Raha manjombonjombona ny any e

Ka mila ankarary ny fo

Mahatsiaro fa latsa-tomany e

Torovana sy mararary an-doha



Tsarovy fa toy ny any ny aty e

Izay manjo anao any no manjo ahy fa aza kivikivy ialahy

Na dia lavitra aza ny elanelan-tany

Tsy atoko anadinoina an'ialahy

Fisarahana tsy miala @ tany

Fa aza kivikivy ialahy



Tsy hilaozam-pitsapana ny tany e

Maro koa ny fakam-panahy

Mety misy koa @izany e

Manadaladala an'ialahy



Tsarovy fa toy ny any ny aty e

Izay manjo anao any no manjo ahy fa aza kivikivy ialahy



Na dia lavitra aza ny elanelan-tany

Tsy ataoko anadinoina an'ialahy fisarahana tsy miala @ tany fa aza kivikivy ialahy

Na dia lavitra aza ny elanelan-tany

Tsy ataoko hanadinoina an'ialahy

Hanoratra aho ho anao hatrany hatrany fa aza kivikivy ialahy

Partager toy ny any ny aty

Commenter toy ny any ny aty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Loly